Izay ny anjara. Haiko fa fantatrao.
Raha ny safidintsika, mbola teto izaho sy ianao
Fa folo taona izay, no nihaonantsika farany
Samy nanana ny lalany, samy nanana ny anjarany.

Tsy adinoko anefa, hatrizao, ilay fitiavana
Mino aho fa mbola misy, izaho koa mbola manana
Ny fijerinao, maso tsara loko manome fahafinaretana
Maintso? Manga? Ranomasina madio maha very lakana.

Folo taona indray no lasa, matory hono ilay madama
Anaty lamba fotsy, mangatsika sy mamanala
Nisy niantso aho, avy tany an-tany lavitra any
Te ahita ahy hono ianao. Ho avy aho androany ihany.

Eto no ahitako farany, ilay tiako mandrakizay
Efa eto aho hoy aminy, azafady ra izao vao hita indray
Tsy miteny izy. Misaotra, hoy ny fijeriny ahy.

- Navotsiny moramora ny tanako
Ary ilay maso taradanitra, nakipiny aminizay. -

Comments
* The email will not be published on the website.
I BUILT MY SITE FOR FREE USING