Be ny olona nahafantatra,
Izaho irery no tsy resy lahatra.
Eran'ny tanàna toa nalaza,
Tamiko ihany no tsy nazava.

Aleo miala, mitsangàna,
Ry tongotro, mandehana.
Malemy anie ny saina
Na lehibe aza ny taona:

Anaty efitrano kely tsisy seza,
Fandriana no nataony ngeza.
Misy efitrano kely mitahiry
Fakam-boninkazo izay nitsiry

Voninkazo miramirana
Tara loatra vo namelana
Voninkazo tsy mahazaka
Diso manalavitra ny faka

Mbola mandalo mazàna
Miandry ny ora ahitana
Dian-tavany iray farany
Hitsaboiny ny fitiavany.

Comments
* The email will not be published on the website.
I BUILT MY SITE FOR FREE USING