Amina taneta tsisy farany, ho resahiko ianao.
Ho harahiko ianao, atramin'ny fiodin'ny tany
Ary rehefa hanidina ianao, hanatry fiainam-baovao
Ny bitsibitsiko ho anao, mbola tsy ho lany.

Rehefa ho tonga ianao, any amin'ilay fiainana maivana,
Ilay fiainana mitohy ambony, nanadino vatana
Hanantona anao Aho hiresaka, mba hiresaka aminao
Hanazava anao fa isika dia iray, iray milalao.

Rehefa mbola hanidina ihany ianao, fiainana hafa,
Jiro mazava, hafaliana sy fitiavana, fiainam-panjaka.
Iny Aho hanantona anao, hanohy ny resaka,
Ilay resam-pitiavantsika tsy mety tapaka.

Taona tsisy isa, ary lanitra tsy misy farany
Hiresaka mandrakizay ilay ray sy ilay zanany
Efa maheno ve ianao, marehy ny tantarako?
Teny malefaka ny Ahy, safom-bonikazo ny feoko.

Tsapaho ny fitiavako, ilay safosafo mahafinaritra
Manodidinanao, mahafampoa, sy maharitra
Ilay fitiavako tsy misy ferany, hery lehibe indrindra
Omeko anao, alaiko any aminao, tsy mihetsika anefa mifindra.

Ny fitiavako tsy voazava amin'ny alalan'ny teny,
Ny fitiavantsika tsy misy alitara hitenenana "Ieny".
Nefa ho resahiko ihany, ra vonona ianao hihaino:
ny fitiavantsika hery tsy tapaka ary feno dia feno.

Ho tratrariko ianao raha saindra hitsaoka amiko,
Hanenjika Aho: ny asatanako, ny zanako, ny vadiko!
Dia ho resahiko ianao, mombanao sy Izao,
Henohy Aho amin'io, fa ho hazavaiko anao
Ilay Lalao.

Comments
* The email will not be published on the website.
I BUILT MY SITE FOR FREE USING