Anaty fiara mainty iray, lava, toa mamiratra
Misy olo-manan-kaja, mifatotra amin'ny peratra;
Peratra ... tsy peratra ... toa tsy aferanao:
Ianao andriambavilanitra, toa teraka hilalao.

Resaka afera, hoy ianao; resaka afera
Arosohy ny toerana, avieo omeo ny lera;
Kipy maso iray, miserana fotsiny ihany,
Hilalao, no andalovako eto an-tany.

Na tsy natao manokana aza, izao hatsarana izao
Tsy tokony ho very maina, sa ahona hoy ianao!

Ny mpandeha sasany, toa tsy mba toa anareo,
Mpiantsena maraina, mpanatitra mpianatra;
Mikipy ianao, akarinao mora ny fitaratra:
Fiainan'olombelona, odoye! fiainana mankaleo!

Mihaja ity rangahy, ianao manja sy kanto,
Mijery izy sady mandanja. Ianao milantolanto.
Ananao ny endrika sy ny bika. Mitsiky izy afapoa...
Antsika ny androany... hiara hilalao isika roa.

Malala, aoka tsy ho fanomezan-tsiny
Raha tazan-ndry aho, raha hitan-dry any ho any
Raha saindra mifanena, ka eo anilako i madama
Mahatoky andry aho, fa isika roa tsy mifankalala.

Mihomehy fotsiny ianao, izay ve ilay teny,
Izay mazana mankarary, an'ireny sipa ireny?
Efa nazavaiko anao, fa ny ahy resaka afera!
Ka raha vonona ianao, dia velomy ny motera.

Ny zipo fohy, ny molotra mena, ny fe malamalama,
Ny volo lava sy malefaka, ny maso mason-karana;
Matsiro ny fiainana hoy enao. Veloma ireo masera!
Ny ampitso ihany dia miova, na fiara io na saofera.

Comments
* The email will not be published on the website.
I BUILT MY SITE FOR FREE USING