Rehefa miatrika ahy toy izao ny masonao, tsapako
Fa maizina ny lalana ho diaviko... ka tsy sahiko.
Tsy sahy tokoa ny tena satria matevina ilay fatotra,
Malemy tampoka ny saina, ny fo tsy sahy manolotra.

Ampio teny, tahirin-tsafosafo: mba tsy ho ritra hatrany.
Atoroy ahy, aza avela hikatona ny lalana mankany...
"Tiako ianao". Tehirizo koa ny ahy, mba tsy ho lany mamy.

Izaho tsy niova, tsy nihemotra, mbola tsy nandahy;
Mbola mijoro eto anilanao, ampahadiovam-panahy.
Na nanjavona aza ilay lalana, izay nampinao vavahady,
Tsy hitakiako any aminao ny fitiavana, zoan'ny mpivady.

Ilay masoandro nitsodrano ny fiarahantsika teo aloha
Toa nitera-baratra: nivadika ho poizina, ilay zava-tsoa.

Ankehitriny aloka, tsy fo tsy fanahy, no sisa mitoetra eto anilako
Porofom-pitiavana matsantso, ny feonao miantso oe malalako.
Nanana toky aho fa hisy zanany sy zafiny, ireny hafaliantsika ireny;
Ekeko anefa fa tsy rariny izay tsy rariny, ka samia mahazo izay hiriany.

Comments
* The email will not be published on the website.
I BUILT MY SITE FOR FREE USING