Izay ny anjara. Haiko fa fantatrao. Raha ny safidintsika, mbola teto izaho sy ianao Fa folo taona izay, no nihaonantsika farany Samy nanana ny lalany, samy nanana ny anjarany.

Read More  

Ianao ranomasina masira Izaho loharano mikoriana Finaritra ny diako mangiana Maharehy anao mihira-hira

Read More  

Be ny olona nahafantatra, Izaho irery no tsy resy lahatra. Eran'ny tanàna toa nalaza, Tamiko ihany no tsy nazava. Aleo miala, mitsangàna, Ry tongotro, mandehana.

Read More  

Amina taneta tsisy farany, ho resahiko ianao. Ho harahiko ianao, atramin'ny fiodin'ny tany Ary rehefa hanidina ianao, hanatry fiainam-baovao Ny bitsibitsiko ho anao, mbola tsy ho lany.

Read More  

Anaty fiara mainty iray, lava, toa mamiratra Misy olo-manan-kaja, mifatotra amin'ny peratra; Peratra ... tsy peratra ... toa tsy aferanao: Ianao andriambavilanitra, toa teraka hilalao.

Read More  

Rehefa miatrika ahy toy izao ny masonao, tsapako Fa maizina ny lalana ho diaviko... ka tsy sahiko. Tsy sahy tokoa ny tena satria matevina ilay fatotra, Malemy tampoka ny saina, ny fo tsy sahy manolotra.

Read More  
I BUILT MY SITE FOR FREE USING